Ampy hiatrehana ny filana ny solika eto Madagasikara. Tombanana ho tonga afaka
20 andro ao Toamasina, ny sambo lehibe iray mitondra izany, raha andrasana 35 andro izany teo aloha, araka ny tatitra navoakan’ny Ofisy malagasin’ny akoranafo (OMH), ny zoma teo. Nambarany fa tonga tao Toamasina, ny 9 septambra teo, ny sambo “Hafnia Expedite” izay nitondra ny solika ho an’ity volana septambra ity. Nampidinina nanomboka ny 11 septambra kosa ireo solika ireo. Handrasana ho tonga ny 5 oktobra izao kosa ny sambo “Hafnia providence”, araka ny fandaminana natao. Fantatra fa higadona amin’ny fiandohan’ny volana novambra kosa ny sambo fahatelo, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Araka izany, hifandimby ho avy eto Madagasikara, ao anatin’ny 60 andro, ireo sambo lehibe mpitondra solika eo anelanelan’ny volana septambra ka hatramin’ny volana novambra izao. Ampy sady tsy tapaka ary mahazo famatsian-tsolika isam-bolana ny Nosy malagasy.
Famatsiana
Ankehitriny, mbola manana fatran-dasantsy ampy mandritra ny 25 andro manerana ny Nosy isika. Mbola maharitra 32 andro ihany koa ny fatrana gazoala, eo am-piandrasana ny solika vao nampidinina. Mbola hiakatra 30 andro amboniny ireo tahirin-tsolika manerana ny Nosy ireo aorian’ ny fampidinana solika nafarana. Mizotra toy ny mahazatra kosa ny fitaterana ny solika mankany amin’ny toby fitehirizana sy mankany amin’ny mpaninjara manerana an’i Madagasikara, hoy hatrany ny OMH.
Henintsoa H.