Mahatratra 283 842 t ny totalin’ny vary nohafarantsika nanomboka ny volana janoary hatramin’ny volana jolay teo, araka ny tatitra navoakan’ny INSTAT. Tafakatra 443 222 t kosa izany nandritra ny fito volana voalohany, taona 2022, nisy fitomboana hatrany amin’ny 159 380 t, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Nihena ihany koa ny taham-panafaram-barin’i Madagasikara ny volana marsa sy avrily ary ny jolay teo raha ambony izany tamin’ny fiandohan’ny taona, araka ny tatitra navoakan’ ny “Observatoire du riz”. Antony nahatonga ireo taham-pidinana ireo ny fiakaran’ny tahan’ny famokarana eto an-toerana.
Tsiahivina fa milanja 71 737 t ny vary nohafarantsika ny volana janoary teo, raha tafakatra hatrany amin’ny 100 029t izany ny volana febroary. Nanomboka nahitana fihenana izany ny volana marsa, izany hoe nihena ho 35 663 t. Nitohy hatrany ny fidinana satria milanja 16 798 t ny vary nohafarana ny volana avrily teo raha 17 167 t kosa tamin’ny volana mey. Nomarihin’ireo mpandinika hatrany fa milanja 28 221 t ny vary nohafaran’i Madagasikara ny volana jona teo raha nihena ho 14 228t roa volana lasa izay.
Henintsoa H.