Mahoraka ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny lalao baolina kitra. Iza no tsy miresaka izany na any anaty birao, ny mpitaingin-tamboho, ny mpandeha taxi-be, eny fa ny olona tsy manan-kialofana toy ny mpangataka aza. Tsy voatery nahita tamin’ny vata fahitalavitra vao afaka « mitatasika ». Resaka miampitampita dia efa mampiady ambiansy manerana ny tanàna. Miandahy miambavy, samy manao resa-baolina, hita taratra hoe miray saina sy fo ery! Moa va tsy ireny samy mpanazatra mahay sy na mpamakafaka kitra ikohizana daholo. Mafana ny adihevitra, mafana ny tsikera, mangotraka ny fifampihantsiana. Ny mahafinaritra, na miakatrakatra aza ny feo, miravona ihany izany avy eo, miafara amin’ny hehy sy ny fisotrosotroana kafe na alikaola araka ny hoenti-manana.
Amin’ny lalao tahaka itony, hatrizay nisian’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny baolina kitra, fomba fanao hita eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny ny filokana. Matetika tsy natao hitadiavam-bola izy io, fa entina mampiady ny lalao sy hampafana ny fiaraha-mijery baolina. Misy ihany koa anefa no sahy mametraka vola antapitrisa sy manao antoka fananana. Entanin’ny fitiavana diso tafahoatra ekipa iray. Misy ny olona fongam-pananana na bokan-trosa amin’izany. Eto indrindra anefa no hanairana kely ny tsirairay, betsaka ny tranga tsy nampoizina tamin’ity andiany 2022 atao any Qatar ity. Misy ny ekipa lehibe noheverina ho sangany, tena anatin’ny lisitr’ireo tombanana handrombaka ny amboara no resy. Iza no nanampo fa ho resin’ny Saodianina, ny ekipan-dry Messi, avy any Arzantina. Torak’izany ny Rainiboto-Alemana niondrika teo anatrehan’ny Japoney. Tsy asiana teny betsaka ny nitazoman’ny mpilalaon’i Maroc ny isa 0 sy 0 tamin’i Croitie, izay tompondaka lefitra farany teo.
Tsy fahotana ny miala voly sy milokaloka amin’ny fifaninana ara-panatanjahantena toy itony. Mahafinaritra ilay mahazoazo kely sy manala “vela”. Mila fitandremana anefa sao ho diso kajy. Mila sorohina ny tsy ahatafalatsaka anatin’ny vela-pandriky ny fiankinandoha. Mahery vaika toy ny zava-mahadomelina ny loka.
Izay indrindra no hanararaotana hanaitairana ny tomponandraikitra amin’ny fanaraha-maso ireny toeram-pilokana isaky ny elakela-trano eto an-drenivohitra ireny. Ny zava-doza, tsy lavitra sekoly no hamelaran-dry zalahy ny filalaovana “baby foot”, karatra “Rami” na fanaovana daomy. Fintana mivelatra hamotehana ny zaza malagasy anefa izany. Tsy vitan’izay, tsy azo tohinina na hanaovana fanamarihana ny mpitantana ireny toerana ireny. Mahazo vavabe sy ompa, mety miafara amin’ny fikasihan-tanana ny fahasahiana miaro ny ankizy. Mazava be ny fiarovantenan’izy ireo: “Efa mandoa vidin-toerana sy saran’ny fahazoan-dalana any amin’ny kaominina izy ireo.” Valy boraingina tsy hita hovaliana.
Na izany aza, samy tomponandraikitra amin’ny ataony ny rehetra. Mila fahatsapan-tena fa tsy ho baikoin’ny vola sy ny filan-dratsy. Ratsy ilay kendan’ny vomanga nasesiky ny tanany zalahy e! mavetsatra ilay disodiso kajy any anaty resa-bola sy loka izany.
r.r