Hanomboka anio 21 hatramin’ny 24 septambra ny foara iraisam-pirenena mikasika ny tontolon’ny fambolena. Fotoana hihaonana mivantana amin’ireo seha-pihariana voakasika, ny mpandraharaha ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Roa taona misesy izao no hanohanan’ny MVola ny tetikasan’ny mpandraharaha sy ny mpisehatra samihafa. Mandroso vahaolana ara-bola mifanandrify amin’ny filana manokan’ny tsirairay amin’izy ireo.
Anisan’ny aroson’ny MVola mandritra ity foara iraisam-pirenena eny amin’ny Zone Forello ity ny tolotra MVola to Bank/Bank amin’ny zana-bolakely, 1%. Ahafahana mandefa vola avy amin’ny MVola mankany amin’ny banky, na koa ny mifamadika amin’izany. Eo koa ny tolotra M-Agri ho an’ireo mpandraharaha amin’ ny fambolena.
Azo arahi-maso
Azon’ny mpanjifa ampiasaina koa ny tolotra BtoB MVola, hanampiana amin’ny fitantanana ara-bola. Azo atao ny mandray vola, ampiasana ny teknolojia niomerika amin’ ny internety, ny API MVola sy ny Simple Pay. Ho an’ny mamoaka vola, handoavana ny karaman’ny mpiasa, ny faktiora samihafa, amin’ny finday, na koa ny karatra Visa MVola. Manampy ireo ny findramam-bola hatramin’ny 1 tapitrisa Ar. Azo arahi-maso amin’ny Selfcare MVola ny fifanakalozam-bola natao rehetra.
Nilaza ny talen’ny fiaraha-miombon’antoka, Ericka Verly, fa « tsapan’ny orinasa MVola tsara ny fanamby miandry ny mpamboly sy ny mpandraharaha amin’ity sehatra ity. Mahafaly anay anefa ny mandroso vahaolana amin’izany».
Njaka Andriantefiarinesy