Hetsika mampiray ny mpamokatra eo amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny FIA atao etsy amin’ny Zone Forello Tanjombato. Misy ny tolotra maro isan-karazany entina mampiroborobo ny seha-piharian’ireo tantsaha sy ny paikady anatanterahana izany.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly, ka hitohy hatramin’ny alahady izao, ny foara iraisam-pirenena ho an’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (Foire internationale de l’agriculture, de l’élevage et de la pêche, FIA) andiany fahadimy, atao eny amin’ny parc des expos Forello, Tanjombato. Sehatra stratejika ho an’ny mpamokatra, ahafahana mifandray, mifanakalo hevitra ary mitady fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny FIA. Hetsika ahazoan’ny tantsaha mpamokatra mitondra ny tetikasany. Ahafahan’ireo mpandraharaha maneho ny vokatra sy ireo tohana momba ny famokarana. Tafiditra ao anatin’izay ny paikady ho an’ny tolo-draharahan’ny mpamokatra. Tolotra hanohanana ny tantsaha, hijerena akaiky ny mpamokatra sy hahafahana mamaly ny filany ny paikady. Miisa 20 000 ny tantsaha voarakitra ao anatin’ny laha-tahirin’ny mpamokatra « annuaire des producteurs » izay haparitaka amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy.
Hanakaiky ny tantsaha
Ahafahan’ny mpamokatra mampiroborobo ny seha-pihariany ity paikady ity noho izy hanome tolo-kevitra hampiroboroboana ny fambolena. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fotodrafitrasan’ny famokarana sy ny fitadiavana lalam-barotra samihafa. Tafiditra amin’izany ny tohana sy ny famatsiam-bola ary ny fanamafisana ny andraikitry ny fanjakana. Hapetraka amina distrika samihafa ny birao mahakasika ny famokarana enti-manatanteraka ity paikady ity izay ahitana ireo singa 10 mandrafitra ny tetikasa.
Henintsoa Hani