Randria Choco : mivoatra ny fanodinana ny kakao

Nanomboka nanodina ny vokatra kakao Randria Choco, ny taona 2021, monina any Ambanja. Nomarihiny anefa, fa hataony daholo ny lalam-pihariana rehetra, satria mamboly kakao izy sady manodina ary mivarotra. Anisan’izany ny fandraisany anjara amin’ireny hetsika ara-pambolena aty Antananarivo ireny, toy ny FIA, ny Fier Mada, ny Fim, sns. « Miroborobo ny fihariako, ary tsy mitsahatra miitatra ny tsenam-barotra », hoy izy. Mandray anjara amin’ny FIA 2023 eny Tanjombato ity tanora ity.
Mivoatra koa ny karazana vokatra amboarin-dRandria Choco, manampy ny sôkôla amin’ny endriny samihafa, sy laroana singa isan-karazany, toy ny voanio, ohatra. Misy ny vovony azo atao anaty dite, ny « cacahuète » anaty fonosana, ny dobera. Anisan’ny vokatra amboariny koa ny savony avy amin’ny kakao. Miparitaka manerana ny Nosy ny mpanjifan-dRandria, indrindra aty Antananarivo, hatrany Manakara, sy ny faritra marohafa.

Njaka A.

Partager sur: