Mandray anjara amin’ny Foara iraisam- pirenena ho an’ny fambolena, FIA, eny amin’ny Zone Forello Tanjombato, ny orinasa Star. Samy eo ambany fiahian’ny vondrona Castel, izy sy ny orinasa Malto S.A, misahana ny famokarana « orge », havadika ho « malt », akora fototra amin’ny fanamboarana labiera. Nanazava ny teknisiana, tomponandraikitry ny fikarohana ao amin’ny Malto S.A, Rija Hajasoa Rémi, fa alona rano ny « orge » ary lasa antsoina hoe « malt » rehefa vaky tsiry. Nilaza ny tomponandraikitry ny fanapariahana ny ao amin’ny Malto S.A, Ranaivoson Parfait, fa tohanana ara-teknika ny tantsaha, amin’ny famokarana « orge » sy ny « malt ». Miisa 19 000 ny tantsaha tohanan’izy ireo, miparitaka any amin’ny faritra telo (Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania). Mahatratra 9 000 t ny vokatra « orge ». Eo amin’ny 2 000 ha ny velaran-tany ampiasaina.
Loka Pierre Castel
Voly avotra ny fambolena « orge », mandimby ny vary, izay tena mampidi-bola ny tantsaha. Tohanan’ny Malto S.A ara-teknika sy ny kojakoja ara-pambolena ny tantsaha, toy ny zezi-bazaha, ny masomboly, ny fanafody mamono bibikely sy ny sisa. Vidian’ ny orinasa manontolo ny « orge », ary esorina amin’ny vidiny ny sarany rehefa miaka-bokatra.
Hita ao amin’ny tranohevan’ny Star koa ny vokatr’ireo Malagasy mpandraharaha miisa enina, nahazo ny loka iraisam-pirenena Pierre Castel. Toy ny zava-bita amin’ny lafarinina mangahazo (tapioca), ny famokarana atody, ny famokarana holatra, ny famokarana fromazy, fanodinana voanjo, sns.
Njaka A.