Tapa-bolana mahery aty aoriana, hita tao Antsiafabositra ilay mpiasan’ny BNGRC nifampitadiavana teny amin’iny RN4 mihazo an’i Mahajanga. Teny Mahatsinjo no hitan’ny olona ny fiara nentiny. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ ny zandary fa hoe nisy naka an-keriny. Nentin’ireo mpaka an-keriny mifindrafindra toerana hatrany izy, raha ny filazany.
Misy mampiasa teny Analakely ny motoan’ilay olona iray nisy nangalatra tao Antsahalava Antanifotsy, afakomaly. Nanao vela-pandrika ny zandary ka olona dimy indray voasambotra niaraka tamin’ny moto halatra roa. Ny telo mpividy halatra raha mpanamboatra taratasy hosoka mba ho toy ny moto ara-dalàna ny roa lahy. Nahitana carte rose hosoka teny amin’ireo mpividy.
Niafara tamin’ny ady totohondry mihitsy ny resaka politika nifanaovana lehilahy roa mpamily taxi teny Anosizato Andrefana, omaly atoandro. Mpinamana izy ireo ka samy manana ny olona andrian’ny fony amin’ireo mpanao politika. Samy tsy nahazaka ady hevitra izy roa ka raikitra ny fifandonana. Niditra an-tsehatra nandamina azy roa lahy ireo namany.
Tafaverin’ny polisy ireo omby halatra 23 nalain’ ny dahalo tao Avaradrova, Belo sur Tsiribihina, afakomaly. Nanafika tanàna ireo malaso ka nangalatra ireo omby ireo. Nanao fanarahan-dia ny mpitandro filaminana. Nahitam-bokany izany,
azo ny omby rehetra teny am-pelatanan’ny
dahalo.