Nirefotra indray ny basin’ireo jiolahy teny Ampasampito omaly maraina tamin’ny 6 ora sy 30 mn. Cash point iray voatafika. Naratra ny dokera iray sy ny polisy iray raha nikasa hamonjy ilay renim-pianakaviana notafihan’ny jiolahy…
Jiolahy roa nitondra basy mahery vaika no nanafika tao amina Cash point iray eny Ampasampito, omaly maraina. Teo am-panokafana ity Cash point ity ny renim-pianakaviana iray mitantana izany no narahin’ireo jiolahy. Ny iray naka an-keriny ny poketra teny aminy, ny iray hafa kosa niandry ireo olona teo amin’ny manodidina. Tsy nampoizin’ny voatafika mihitsy ny fisian’ireo jiolahy nanaraka azy avy aoriana. Namoha ny varavaran’ny trano izy no nisy nisintona tampoka ny poketra sady nandrahona tamin’ny basy. Tsy nahahetsika ilay renim-pianakaviana fa ireo olona teo amin’ny manodidina no afa-niantso vonjy. Vory lanona ny olona raha nandre ny kiakiaka narahina antso vonjy. Nihazakazaka nanatona hamonjy ny lehilahy iray ilay dokera ka notifirin’ireo olon-dratsy teo amin’ny kibony. Nanatona avy hatrany koa ny polisy nisahana ny fifamovoizana teo akaiky teo. Voatifitra ihany koa ity polisy ity. Tsy nisy basy rahateo teny aminy. Voalazan’ity renim-pianakaviana ity fa hoe nisy vola tany anaty poketra. Tsy fantatra mazava kosa hatreto ny fitambaran’ireo vola lasan’ireo mpanafika. Nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy rehefa nahazo ny poketra.
Nentina hopitaly ireo naratra…
Fotoana fohy monja no nanatanterahan’ireo jiolahy ity fanafihana ity. Torana tsy nahatsiaro tena ilay dokera voatifitra teo amin’ny kibony. Nentina ao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana (Homi) ireo naratra. Mbola manaraka fitsaboana ao, araka izany ireo niharam-boina. Tonga namangy azy ireo teny amin’ ny hopitaly ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de police, Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys. Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny polisy ka aorian’izay no hamantarana ny marina rehetra momba ity fanafihana ity. Tsikaritra tato ho ato fa mirongatra ny fanafihana ireny mpanao Cash point ireny.
J.C