Mitohy ny fihaonan’ireo kandidà 12 amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana. Anisan’ny efa nihaona tamin’izy ireo, ny herinandro teo, ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy.
Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny efa nihaonan’ireo kandidà, ny herinandro teo, ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raolison Jean de Dieu avy amin’ny Ekar sy ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, avy amin’ny Anglikanina (EEM). Nitohy ny fiandohanan’ny herinandro teo izany ka nihaonan’izy ireo tamin’ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi sy ny filohan’ny Loterianina (FLM), ny pasitora Rakotozafy Denis. Tsy nisy nipika avokoa ny dinika tamin’ireo fihaonana ireo.
Nitohy omaly teny Ankerana izany fifanantonana izany ka anisan’ny nandray anjara ireo kandidà 12 ny eo anivon’ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena. Tsy anisan’ireo tonga niatrika izany ny kandidà Rajoelina Andry saingy nandefa solontena. Tsy azo natrehina rahateo ny fihaonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Na izany aza, nambaran’ny fiarahamonim-pirenena, Andriamoraniaina Harijaona, fa tsy midika ho fiandaniana ny fifampiresahana tahaka izao. “Tsy afaka ny hangiana manoloana ny raharaham-pirenena izahay sady tomponandraikitra ny tsirairay”, hoy izy. Nohamafisin’izy ireo fa fikaroham-bahaolana ny fihaonana ka antony angatahan’izy ireo fifampiresahana amin’ireo mpisehatra samihafa mandray anjara mivantana na ankolaka amin’ny fifidianana. Anisan’ny efa nihaona tamin’izy ireo ny Ceni, ny HCC sy ny governemanta ary izao indray ireo kandidà 12.
Synèse R.