Anisan’ny nanotrona ny fampahafantarana ny vovonana UPAR, teny amin’ny CCI Ivato, ny lehiben’ny faritra Atsinanana, tamin’ny andron’ny Tetezamita, Mahavimbina Alain. Anisan’ireo tsy nivadika tamin’ny filoha Rajoelina Andry rahateo izy taorian’ny nanesorana azy tamin’ny toerany.
« 11 taona aho tsy nitazona toerana tamin’ny fitondram-panjakana. Niezaka ny tsy hivadika tamin’ny foto-kevitra politika aho. Manaja ny hafa kosa anefa rehefa misy ny fanasana ka mety nahitana ahy tamin’ny hetsika samihafa. Mandala ny fanehoan-kevitra samihafa aho saingy miezaka ny tsy mivadibadika palitao », hoy izy nitondra ny heviny tamin’ny mpanao gazety. « Zava-dehibe ny famondronana ny hery amin’ny vanim-potoana tahaka izao satria eo no ahitana ny tena namana. Ny fotoan-tsarotra sy efa ho rava tahaka izao no hitarafana izay mpiara-miombon’antoka tsy mivadika sy tsy hamadika », hoy hatrany izy. Raha tsiahivina, ny taona 2009, nandray ny andraikitra maha lehiben’ny faritra izy. Niara-
nitolona tamin’ny filoha Rajoelina hatrany amboalohan’ny tolona izay natombony, nanoherany ny fandikan-dalàna sy ny jadona.