TARATRY ny KANTO

“Slam nationale 14”. Tanterahina eny amin’ny Aft Andavamamba, anio tolakandro, ny lanonana fanokafana ny «Slam nationale 14». Raha tsiahivina, efa tontosa omaly ny “Slam partout”, diabe niainga teo amin’ny IFM Analakely hatreny amin’ny Oniversite Ankatso, nitohy tamin’ny “Slam à l’U” natao tao amin’ny ADMC CRAAM Ankatso.

Ivokolo Analakely. Hanafana ny sehatra ao amin’ny Ivokolo Analakely, amin’ity anio ity, i Do Be sy Aliana Mahefa. Ankoatra ny fanehoana ny maha izy azy avy eo amin’ireto mpahay kanto ireto, antenaina ny fampiaraham-peo eo amin’izy ireo. Hanontrona azy ireo amin’izany i Bolo sy Moni ary Epistolier.

“Anao ny safidy”. Tontosaina eny amin’ny Aft Andavamamba, rahampitso, ny seho teatra “Anao ny safidy”, iarahana amin’ny Tropy Lisin’Iarivo. Seho an-tsehatra hanehoana tantaram-pitiavana eo amin’olon-droa ity seho ity. Ny sampana koltoraly eo anivon’ny Aft Andavamamba, miaraka amin’ny FMTM no mikarakara ny hetsika .

“Ady hiragasy”. Mitohy hatrany ny hetsika fampivelarana sy fampiroboroboana ny Hiragasy eny amin’ny kianjan’ny hiragasy Ampefiloha. Hifampitana ao anatin’ny Ady hiragasy, ny Alahady 24 septambra 2023, ny tarika Ra-Tine Betsileo sy ny tarika Ravaloson Mahatsinjokely.

Partager sur: