Nafampana ny andro amin’ny ilany andrefan’ny Nosy, omaly, fa hidina tsikelikely ny maripana ambony indrindra any amin’ny ilany atsinanana ary saika hiitatra manerana ny Nosy anio sy rahampitso. Mila malina hatrany ny eny an-dranomasina na tsy misy aza ny filazana fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano.
Vita, nandritra ny telo andro, ny fiofanana ho an’ireo mpampiofana avy ao amin’ny Lycée Technique Ampefiloha sy ny Lycée Technique Alarobia Vatosola. Nisahana izany ny sampandraharaha mikarakara ny fanofanana ireo mpampiofana sy mpitantana. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fampivoarana izany
Hikatso ny fampianarana raha hiala tsy hampianatra intsony ny “vacataires”, izay maro anisa manerana ny oniversite rehetra miankina amin’ny fanjakana. Mpampianatra tsy raikitra sady tsy mpiasam-panjakana ary tsy mandray karama isam-bolana avy amin’ny fanjakana izy ireo. Ny saran’ny ora fanampiny no tambin’ny asany nefa tsy voaloa efa ho telo taona sy tapany.