VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 336 933 833 Ar ny famatsiam-bola ataon’ny tetikasa « fihariana » amin’ny fampiroboroboana hanohanana ny tetikasa mifototra amin’ny fanabeazana sy ny fampiofanana arakasa hatramin’ny taona 2019. Misy ny miompana amin’ny fampiroboroboana ny fampianarana fototra, ny fampianarana manokana ho an’ireo ankizy sy tanora manana fahasembanana, ny fampiofanana samihafa toy ny fambolena sy ny asa tanana.

Mahasarika mpitsidika maro ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono (FIA) eny amin’ny Forello Tanjombato. Hetsika, varotra fampirantiana izay hampisehoana ny vokatra mampiavaka ny faritra 23 manerana ny Nosy. Indrindra ny fampiroboroboana ny toekarena isam-paritra sy ny firenena malagasy.

Hivoaka ny vola ampahany voalohany avy amin’ny fanjakana, hanohizana ny fanatanterahana ny arabe migodana “auto-route”, Antananarivo hatrany Toamasina. Mitentina 924 tapitrisa dolara ny tetibola hanaovana ity lalana ity, mirefy 260 km.

Harenina ny fefiloha miaro ny tanimbary 600 ha eny Atsimondrano. Mahatratra 600 ha ny velaran’ny tanimbary eny amin’ny faritra Antsahadinta, kaominina Androhibe, Antanikely, Ambohijoky, distrika Atsimondrano. Simba ny feliloha, vokatry ny tondradrano tamin’ny taona 2022. Harenina mialoha ny fahatongavan’ny orana ireo fefiloha ireo.

Partager sur: