Fiatrehana ny maitsoahitra : azo antoka ny famatsiam-bary

Mijery sahady ny vanim-potoana hiatrehana ny maitsoahitra sy hisorohana ny olan’ny famatsiam-bary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Mbola mitohy ihany koa ny fiarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny orinasa State Pro­curement of Madagascar (SPM) amin’ny fitehirizana ireo vary nafarana tonga eto amintsika. Ankoatra ny vary 15 950 t tonga tao Toliara, ny tapa-bolana lasa izay. Miditra tsikelikely ao Toamasina koa ny vary milanja 21 000 t nafaran’ny orinasa SPM na tsy manondrana vary intsony aza ny firenena Indianina. Nigado­na ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny herinandro teo ny vary 300t. Natoby ao amin’ny fitehirizan’entan’ny orinasa SPM eny Anosizato izany. Vary 300 t hafa ihany koa efa migadona ao Toa­masina amin’izao.
Tsy maharaka
Mitana ny 40%-n’ny tsena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanondranam-bary ataon’ny firenena India­nina. Ankehitriny, tafakatra 580$ ny iray taonina raha mbola 430$ teo ho eo izany ny volana Jolay teo. Noho izany, niantraika betsaka teo amin’ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fanafoanan’ny firenena Indianina ny fanondranam-bary nanomboka roa volana lasa izay. Nihena nanaraka izay koa ny fanafaran’i Madagasikara va­ry. Tsy maharaka ny filan’ny mponina anefa izany. Etsy ankilany, mifampiraharaha amin’ny hidiran’ny vary eto amintsika ny fanjakana.

Henintsoa Hani

Partager sur: