Taksiborosy voatafika: 3 tapitrisa ar voatifitra, olona telo naratra

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Bebao Tsiroanomandidy, RN1, omaly maraina. Taksiborosy roa sy kamiaobe no indray voatafika. Olona telo naratra mafy, lasa ny vola 3 tapitrisa Ar mahery.

Dahalo enin-dahy nitondra basy no tompon’antoka tamina fanafihana taksiborosy roa sy kamiaobe iray tao Tsiroanomandidy. Taksiborosy avy amina kaoperativa roa manao fitaterana mihazo an’i Maintirano ity niharan’ny fanafihana ity. Niainga tao Mahatsinjo hihazo an’i Maintirano nitondra mpandeha ireto taksiborosy raha avy ao Iorimbato ho any Tsiroanomandidy kosa ity kamiaobe ity. Raha ny voaray avy amin’ny zandary, tamin’ny 6 ora maraina no nitranga ny fanafihana tao amin’ny toerana antsoina hoe Bebao anelanelan’Ambaravaranala sy Iorimbato, ao anatin’ny faritra Bongolava. Tifitra variraraka no niantefa tany amin’ireo taksiborosy sy kamiaobe. Gorobaky ny bala ny fitaratra aorian’ny fiara 4×4 taksiborosy (fiara 4×4 ireo taksiborosy mitatitra olona miainga avy ao Tsiroanomandidy mihazo an’i Maintirano). Nikasa hitsoaka ihany ny mpamily saingy tsy nahafahana nanao izany ny haratsian’ny lalana. Niditra an-keriny tao anaty fiara ireo mpanafika. Telo tamin’ireo mpandeha manodidina ny 30 naratra mafy niantefan’ny balan’ireo malaso. Nisy voa teo amin’ny tanany raha teo amin’ny lohany kosa ny hafa. Vola mitentina 3 tapitrisa Ar mahery lasan’ireo mpanafika niaraka tamin’ny telefaonina fito, sakaosy feno lamba maro. Nangatahan’ireo malaso ny teny miafina mamaha ny kaonty misy MVola sy Orange Money an’ireo mpandeha rehetra. Nifanome tanana tamin’ny fikarakarana ireo maratra ny zandary niaraka tamin’ny Madagascar Oil. Nisy tamin’ireo naratra no voatery nentina niakatra aty an-drenivohitra satria tsy vita tao Tsiroanomandidy ny fitsaboana. Mifanome tanana manao ny fanarahan-dia ny zandary avy ao amin’ny tobim-pileovana Melaky sy Bongolava.

J.C

Partager sur: