Fiatrehana fifidianana : tsy miandany na manohana kandidà ny Mafami

Nambaran’ny filoha nasionaly, Ratovomaherison Manoa, teny Ambohimanambola, omaly fa velona sy miaina ary maneho hetsika anatin’ny tanjany ny Mafami. «Tsy manao politika ary tsy manohana kandidà izahay. Na izany aza, afaka miray hina sy miaraka. Manaporofo koa anefa ny tantara fa teo hatrany nandritra ny 45 taona», hoy izy. Notsiahi­viny fa mifanohana eo amin’ny sosialy, toy ny fanampiana ny mpianatra mpikambana, izy ireo. Mifampizara ary koa mihaona amin’ireo raiamandreny efa nandalo teo anivon’ny fikambanana. Tsy natao hanavakavaka koa ny fikamba­nana.
Momba ny olana eny amin’ ny tontolon’ny fampianarana ambony kosa, nambarany fa efa nitondra soso-kevitra ha­trany izy ireo hatreny ambony latabatra ho amin’ny fifampidinihana. « Vonona hatrany ny hifanome tanana na eny amin’ ny fampianarana ambony, na koa eo amin’ny sehatry ny firenena », hoy ihany izy.
Tsiahivina fa zanaky ny faritanin’Antananarivo ny mpikambana eo anivon’ny Mafami ary efa manana sampana manerana ny oniversite rehetra manerana ny Nosy.

Synèse R.

Partager sur: