FANTINA sy FINTINA

Tsy tokony ho nanao fanazavana ny HCC, raha ny fijerin’ny mpandinika raharaham-pirenena, Ravonison Tintin. Rehefa tapaka dia tapaka ny didy avoakany. Manjary manao tatitra izy. Nefa tsy manao tatitra na amin’iza na iza izany HCC izany. Izy no manapaka sy mampihatra ny lalàna eto amin’ny firenena.

“Ny fifidianana ihany no vahaolana”, hoy ny filoha nasionalin’ny Vovonana Ifi, ny loholona Ramanambintana Richard, ny faran’ny herinandro teo, teny Tsiadana. Nanteriny fa antoka hisian’ny filaminana, indrindra ho amin’ny fampandrosoana izany.

Hitohy amin’ity herinandro ity ny fifanatonana ataon’ireo kandidà miisa 11 amin’ireo sehatra sy hery velona eto amin’ny firenena. Tafiditra amin’ny fitakian’izy ireo amin’ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra izany. Mpitondra tenin’izy ireo ny kandidà Ratsiraka Roland.

Nivadika ho herim-pamoretana ny mpitandro filaminana, araka ny fanambaran’ny « Collectif des citoyens d’origine Malgache monde », ny herinandro teo. Nohitsin’izy ireo fa tsy natao ho mpiaro ny vahoaka sy ny fananany intsony ny Foloalindahy.

Partager sur: