Afaka iray volana eo ho eo, hotanterahina eto Madagasikara ny fifidianana filoham-pirenena. Araka izany, nanatanteraka fivoriana teny Ivandry, ny fikambanana CS-ANR.
Vonona ny hanamafy ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, ny filoha teo aloha Rajoelina Andry Nirina, ny fikambanana CS–ANR. Fanambarana natao teo imason’ireo mpikambana tonga teny amin’ny Arena Ivandry, ny omaly 24 septambra 2023. Tsapan’izy ireo fa maro ny zava-bitan’ ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, nandritra ny dimy taona nitondrany ka tokony hotohizana izany.
Anisan’izany ny fotodrafitrasa maro vita teto amin’ny firenena, toy ny sekoly sy ny hopitaly manara-penitra ary mijanona ho fananana iombonana izany. Nohamafisin’izy ireo fa misy ny fitsinjarana tsy mitanila eto amintsika ary tsy misy faritra natao ankilabao.
Raha ny fanazavana nataon-dRaharison Gabrielle, filoha nasionalin’ny CS-ANR dia miisa 118 000 mahery ireo mpikambana.
Mankalaza ny faha-10 taona nijoroan’ny CS ANR izy ireo amin’izao fotoana izao. Miantso ny olona rehetra ho tony sy hiandry ny fifidianana izay hatao ny 9 novambra ho avy izao eto Madagasikara, ny filohan’ny CS-ANR. Tsy vahaolana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny korontana sy ny fidirana amin’ ny fitondrana Tetezamita, hoy ihany izy ireo.
Marihina fa tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha, Rajoelina Andry, dia nahazo fahatokisana tamin’ny vondrona iraisam-pirenena ny fanjakana malagasy. Anisan’ny nahafahana nahatontosa ny fanamboaran-dalàna, RN 44, RN 13 izany.
Fitia




