Vondrona Sodiat- 33 taona: mitohy ny vina ho tombontsoan’ny toekarena malagasy

«Ezaka maro avy amin’ny olona maro no nahatrarana izao faha-33 taona izao sy ny fahombiazana rehetra, tao anatin’izany » hoy Ravatomanga Mamy. Mbola maro ny ezaka hitohizan’ny fahombiazana ho tombotsoan’ny Malagasy.

Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina, ny lanonana fankalazana ny faha-33 tao­nan’ny Vondrona Sodiat. He­tsika maro samihafa no nentin’ ny fianakaviamben’ny vondrona, tarihin-dRavatomanga Mamy, filoha tale Jeneralin’ny von­drona Sodiat, nisaotra sy nankasitraka ireo niara-nisalahy taminy ka nahatrarana izao faha-33 taonan’ny vondrona izao. Olom-panjakana maro samihafa no tonga nanon­trona izany lanonana izany. Raha tsiahivina, vondrona iray ahitana orinasa miantsehatra amin’ny seha-pihariana maro eto amintsika ny vondrona Sodiat.
Nifanome fotoana, niara-nankalaza ny faha-33 taonany, omaly ny vondrona Sodiat. Sehatra maro no efa iseharan’ ny vondrona Sodiat sy ivelarany ankehitriny. Ara-tantara, ny taona 1990 no niantombohany, ary ny sehatry ny fitanterana ny niaingana tamin’izany, araka ny nambaran-dRavatoa­manga Mamy. Sehatra maro, izay anisan’ny avokavoka mamelona ny toekarena malagasy anefa no iseharany ankehitriny. Ani­san’ izany ny fizahantany, ny fanafarana sy ny fanondra­nana, ny asa fanaovan-gazety, ny fahasalamana, ny fitante­rana an-habakabaka… no iseharan’ny vondrona ankehitriny. Mano­didina ny 4000 ny mpiasa mi­velona sy manodina ny vondrona.

“Fahatokisana no ilaina fa tsy tahotra…”

Nisaotra sy nankasitraka ny mpiasa, ny mpiara-miasa, ary ny mpiara-miombon’antoka aminy ny talen’ny vondrona Sodiat, nandritra ny fankalazana ny faha-33 taonan’ny vondrona. “Fahatokisana no ilaina fa
tsy tahotra. Tsy voatery ho matahotra rehefa manaja. Ary tokony ho tohizana hatrany ny fifanajana nisy teo amin’ny vondrona hatramin’izay” hoy Rava­tomanga Mamy. Niisa 270 ireo notolorana marim-boninahitra sy marim-panka­sitrahana ary medaly. Nisy ihany koa ny to­lotra manokana ho an’ny mpi­asa ho fisaorana ireo mpiasa.

Lin

Partager sur: