Misehatra amin’ny fanodinana ny akora voajanahary eto an-toerana, manodina ny tantely ny orinasa Iloo. Niforona tamin’ny taona 2019, orinasa madinika mifantoka amin’ny akora tantely. Maro ny vokatra sy ny tolotra omeny ary tanjony ny hanomezana vokatra mifanandrify amin’ny filan’ny mpanjifa. Anisan’izany ny tantely atao anaty boaty na tavoahangy, sns.
Anisan’ny ifantohan’ity orinasa madinika ity koa anefa ny fanomezana tolotra miavaka, manampy ny vokatra tantely mahazatra. Anisan’izany tolotra samihafa, hamokarana vokatra avy amin’ny tantely, toy ny ny tantely anaty tavoahangy kely, ny tantely miaraka amin’ny faikany anaty boaty, sns.
Nilaza ny tomponandraikitra amin’ny varotra ao amin’ny orinasa Iloo, fa misy eto an-toerana ny vokatra vokarin’izy ireo. Anisan’ny vokatra azo amin’ny tantely koa ny savoka sy ny labozia ary ny hafa rehetra.
Njaka A.