VAOVAO TAMBATRA

Efa mahatratra 3 000 Ar ny kilaon’ny vary eny amin’ny mpaninjara. Nilaza ny mpamboly vary any Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro, fa tamin’ity taona ity no tena lafo indrindra ny vidim-bary. Manodidina ny 500 hatramin’ny 600 Ar ny kapoaka tamin’ny taona 2022, nefa efa 800 Ar hatramin’ny 900 Ar izany izao.

Miahiahy ny tantsaha mpamboly katsaka fa ho potika ny fiharian’izy ireo, hatramin’ny fepetra hanafarana any ivelany katsaka. « Tsy vahaolana mihitsy io fepetra io, fa tokony nifanampiana ny mpamokatra, ny fanajariana lemaka no tsy maintsy tokony hataon’ny fanjakana », hoy ny tantsaha.

Manodidina ny 5 kg isan-kerinandro ny tantely vokarin’ny orinasa madinika Iloo. Maro ny karazana tolotra omen’izy ireo, toy ny tolotra milaro tamo­tamo, kakao, sy ny hafa. Tanjony ny hanomezana vokatra mifanandrify amin’ny filàn’ny mpanjifa.

Mbola misy ny fahatapahan’ny herin-jiro eto Antananarivo sy ny manodidina. Misy ny fanapahana noho ny antony tsy fahatomombanana ara-teknika. Eo koa ny tsy fahampian’ny tosiky ny riandrano sy ny famatsiana solika hampandehanana ny milina mandeha amin’ny solika.

Partager sur: