INDRAY MIJERY

Manana hetsika lehibe ny orinasa Orange sy ny Orange solidarité amin’ity herinandro ity. Hisokatra anio, eny amin’ny foiben’ny orinasa Ankorondrano ny hairanty momba ny village Orange. Rahampitso, lasa tanàna Orange ny kaominina Antsahafilo ka ho marihina amin’ny lanonana eny an-toerana.

Mpiofana maherin’ny 1 041 amin’ny faritra 24 no nozaraina fitaovana hoentina miatrika ny taom-piofanana vaovao, izay ahitana kitapo, kahie, fitsipika, penina maroloko, gaoma, pensilihazo. Nisy koa ny fanomezana fitaovana hanaovana fampiharana ho an’ireo ivontoeram-panofanana tena mila izany. Niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany ny minisitry ny Fampianarana teknika.

Notanterahina nanomboka ny 15 septambra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy isam-paritra ny taom-pianarana 2023-2024, manerana ny Dren 23. Nomena mari-pankasitrahana ihany koa ireo mpampianatra mendrika sy talen-tsekoly izay nahazo taham-pahafahana 100% tamin’ny fanadinam-panjakana farany teo.

Nandray anjara tamin’ny fiofanana natao hampivelarana ny fahaiza-manao eo amin’ny resaka vonjy voina tao Korea atsimo i Madagasikara, nokarakarain’ny (KOICA) araka ny fandaharanasa “Capacity Improve­ment and Advancement for Tomorrow”, niarahana amin’ny “National Fire Service Agency”.

Partager sur: