Filohan’ny OJM : “Avelao hiasa malalaka ny mpanao gazety”

Manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny mpanao gazety. Mampahatsiahy amin’ny famelana malalaka azy ireo hanao ny asany ny filohan’ny Holafitra (OJM) manoloana izany.

Nitondra fanazavana ny andraikitry ny mpanao gazety amin’izao fiatrehana ny fifidianana izao ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison. Nambarany fa tokony halalaka amin’ny fitrandrahana vaovao ny mpanao gazety ary manana andraikitra feno amin’ny fampitana ny vaovao amin’ny vahoaka. “Avelao hiasa malalaka izy ireo hitrandraka ny vaovao. Miankina amin’izany no hifidianan’ny olom-pirenena ny olona hofidina sy hampin­draminy ny fahefana hitantana ny firenena”, hoy izy. No­tsiahiviny fa andraikitry ny mpanao gazety ny mampahafantatra ny misy sy ny marina ka tsy tokony hiseho ny sakantsakana amin’ny fitrandrahana izany loharanom-baovao izany.
Notsindriny fa natao hanampy amin’ny fahazoana ny vaovao hisafidy amin’ny fifidianana ny mpanao gazety ary hanokatra sehatra ho amin’ny fanehoan-kevitra koa ho fampisitrahana ny zo demokratika. Mbola andraikitr’izy ireo ny manjohy sy manara-maso ny fanatanterahana ny vinan’ireo kandidà aorian’ny fifidianana ka voafidy ilay mpirotsa-kofidina.
Mialoha izany, anisan’ny andraikitry ny mpanao gazety ny mampahafantatra ny zotram-pifidianana manontolo. Anisan’izany ireo tetiandro samihafa, ny momba ny birao fandatsaham-bato (BV). Nohi­tsiny fa zo fototry ny olom-pirenena ny fahazoana vaovao. “Ny mpanao gazety ihany no manana fahafahana mampita izany fa tsy eny amin’ny tambajotran-tserasera. Mam­pita izany amin’ny alalan’ny haino vaky jery”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: