Fiatrehana ny fifidianana : hanohana ny kandidà Rajoelina ny Betsy Groupe

Tapa-kevitra ! Hanohana sy hampandany ny kandidà Andry Rajoelina, araka ny fanambarana nataony tetsy Ivandry, ny sabotsy lasa teo, ny fikambanana Betsy Groupe. Nambaran’ny filoha mitarika azy ireo, i Lambozafy Raoto fa tsy vaovao akory izao fanohanana izao. Efa tamin’ny 1 febroary teo, teto Antananarivo sy ny tany Fianarantsoa, ny 25 febroary lasa teo, no efa nanao fanambarana ity fikambanana ity. “Manohana ny fitondrana tarihin’ny filoha Rajoelina izahay. Resy lahatra koa ankehitriny fa nody ventiny ny rano nan­tsakaina teo amin’ny lafiny fandriampahalemana any Matsiatra Ambony”, hoy izy ireo. Notsiahiviny fa mandry an-trano daholo ny mpiompy omby amin’izao fotoana izao raha nandry an-tsaha tany aloha tany. Milamina ny sehatry ny fihariana noho ny fandriampahalemana, araka ny nambarany hatrany. Mitaona ny Malagasy rehetra hiombon-kevitra aminy izy ireo, indrindra ny mpikambana rehetra eo anivon’ny Betsy Groupe manerana ny Nosy. Tahaka izany koa ireo rantsamangaika isan’ambaratongany. Nan­teriny fa tsy mandeha irery ity fikambanana misehatra amin’ny fampandrosoana ity fa miara-dia amin’ny vovonana Upar amin’izao fanohanana ny fitohizan’ny asa efa natomboka izao. “Ho anisan’ny hampandany indray ny kandidà Rajoelina amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra isika”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: