Tsenaben’ny Boky. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Andriampamaky, ny hetsika «Tsenaben’ny Boky» andiany faharoa. Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika noho ny fahavitrihan’ny mponina tany an-toerana niatrika izany. Teo ihany koa ny fanotronan’ireo Oloben’ny fanoratana malagasy, sahala amin’i Michèle Rakotoson.
« Rhapsodie Picturale ». Andro vitsy sisa no ahitana ny rantin’ny haikanton’i Jean Nirina Razafindralambo, ao anatin’ny fampirantiana “Rhapsodie Picturale”, eny amin’ny Galerie Mozaik Antsahabe. Ny 27 septambra 2023 izao no hifarana ity hetsika ity. Anisan’ny mampiavaka azy ny fifangaroana maro ao anaty sary.
“Slam national 14”. Tontosaina anio, eny
amin’ny CGM Analakely, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanana “Slam national” andiany faha 14. Mizara vondrona roa ireo mpandray anjara. Ny alakamisy izao no hanaovana ny dingana faharoa, eny
amin’ny CGM ihany, ary ny sabotsy ny dingana famaranana eny amin’ny IFM Analakely.
“Madagasikara Maitso”. Rantin-tsary entina hanentanana ny olona hikolo sy hikajy ary hiaro ny tontolo iainana indray no hita eny amin’ny Galerie d’Art R.R. Raparivo Analakely. Nanomboka ny alakamisy teo ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy ny 1 novambra 2023. Haikanton-ndry Jacques Naif sy William no miranty eny an-toerana mandritra izany.