Tetikasa Efaho: Tonga ny fantsombe hitatitra ny rano avy any Taolagnaro hatrany Ambovombe

Miisa 1 000 ny andiany voalohany amin’ny fantsombe ilaina amin’ny famatsian-drano avy amin’ny reniranon’i Efaho any Taolagnaro. Mirefy 97 km ny fitambarany hatrany Ambovombe, hamahana ny olan’ny tsy fisian-drano any atsimo.

Mandeha ny asa fanamboarana ny fantson-drano miainga any Taolagnaro hatrany Ambovombe, ao anatin’ny tetikasa “Pipeline Efaho”. Nigadona ao amin’ny seranan-tsambon’ Ehoala, Taolagnaro, omaly 25 septambra ma­raina, ny sambo Triumph, avy any Torkia, mitondra ny andiany voalohany amin’ireo fantsombe ho famatsian-drano ny any atsimo. Miisa 1 000 ireo fantsona tonga ireo, mahavita 11 km, fa mbola hisy sambo hafa ho avy.
Nambaran’ny minisitry ny Rano, Fanadiovana, Fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, fa nandeha foana ny asa fiomanana sy ny fanomanana ara-teknika, ny ara-tontolo iainana, ara-piarahamonina ny tetikasa “Efaho”, teo anelanelan’ny 22 avrily 2023 nanombohana azy.
Miisa 60 ny tanàna handalovan’ity fantsombe ity, mitotaly 97 km. Ao anatin’ny faritra Anosy ny 40 raha any Androy ny 20. Miainga ao amin’ny fokontany Esalo, kaominina Manambaro, distrika Taolagnaro, faritra Anosy, hatrany Ambovombe.

Famatsian-drano fisotro sy ho an’ny fambolena

Nitsena ny fahatongavan’ny sambo Triumph tao amin’ny seranan-tsambon’Ehoala, ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, ny minisitry ny Toekarena manga, Mahatante Paubert, ny mpanolotsaina manokana ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, Razafi­mahefa Tianarivelo, ny governora Anosy, Rakotovelo­manantsoa Voahary, ny governora Androy, i Soja Lahimaro Tsimandilatse ary ireo olo-mana-kaja maro.
Vina napetraky ny filoha Rajoelina ny tetikasa “Pipeline Efaho”, izay tohizan’ny governemanta ifarimbonana, ankehitriny. Misy ny hamatsian-drano fisotro ho an’ny mponina, ary misy koa ny manondraka velaran-tany hambolena.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: