Hanafatra fitaovana fitiliana ny Laboaratoaram-pirenena mikasika ny fizahana ara-pahasalaman’ny biby (LNDV). Hiantohan’ny fanjakana foibe ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana mahakasika izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa tohanan’ny Antokon-draharaha iraisam-pirenena mikasika ny angovo atomika (AIEA) ity fanafarana fitaovana ity.
Nanolotra sambo haingam-pandeha roa ho an’ny Foibe mpanara-maso ny jono (CSP) ny governemanta japoney. Fanomezana fahatelo ity ho tonga ity, ankoatra ny roa hafa efa natolotry ny fanjakana japoney, hanamafisana ny fanaraha-maso ny sehatry ny jono eto amintsika.
Hapetraka amin’ity herinandro ity ny vatofototra amin’ny fananganana tanàna vaovao eny Andavamamba. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Produir”, hanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva izy ity. Efa nisy ny fanamafisana ny sisin’ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, sy ny hanadiovana ny lakandrano C3.