Hitondra sy hitantana ny federasion’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) ny filoha vaovao, Laou Pou Wilfrid. Nafindran’ny filoha teo aloha, Viviane Dewa tamin’ny mpandimby azy Laou Pou Wilfrid ny fitantanana ny federasionan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria eto Madagasikara. Hetsika natao tetsy amin’ny biraon’ny FCCIM Antanimena, ny zoma lasa teo. Nanatrika ity lanona ity ireo mpikambana nifandimby toerana tao amin’ny birao maharitry ny FCCIM sy ny ekipan’ny foibem-pitondrana misahana ny fiaraha-miasa sy ny tetikasa (DPP) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana.
Fantatra, nandritra ny famindram-pitantanana, fa filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria (CCI) Antsiranana ny filoha vaovaon’ny FCCIM, Laou Pou Wilfrid. Filoha lefitra naira-niasa taminy ihany koa ny filoha Viviane Dewa nodimbiasany.
Nankasitraka izao hetsika izao ary nisaotra ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, tamin’ny tsirin-kevitra nikarakarana ny fifidianana teny anivon’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria (CCI) ny filohan’ny FCCIM. Fanomezan aina vao ho an’ny CCI izao hetsika izao. Hitondra fanavaozana amin’ny fomba fitantanana ny biraon’ny FCCIM ankehitriny, ny filoha vaovao, hoy ny fanazavany, ny zoma lasa teo. Marihina fa fanoitra amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ny FCCIM.
Henintsoa H.