Ankazobe: Karatany 12 000 sy bokin-tany 282 nozaraina

Mitohy hatrany ny hetsika karatany faobe ataon’ny fitondram-panjakana manerana ny Nosy. Nahazo ny anjarany ny ao amin’ny faritra Anka­zobe, omaly. Hetsika notarihin’ny mi­nisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany sy ny tetikasa “CASEF”. Kara­tany miisa 12 000 no nozaraina tany an-toerana vokatry ny hetsika karatany faobe (opération de certification foncière massive – OCFM). Nozaraina, nandritra izay, koa ny bokin-tany 282 vokatry ny “titra faobe” na opération domaniale concertée (ODOC). “Mitovy lenta tanteraka ny titra sy ny karatany”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, Holder Ramaholi­ma­sy. Noto­hizany fa zava-dehibe izao hetsika izao mba hahafa­han’ny Malagasy iray manontolo misitraka tany. Tanjona, araka izany, ny hizarana karatany 5 tapitrisa hatramin’
ny taona 2028, hetsika izay tokony hitohy mandavan­taona.
Tanjona
Vinan’ny fitondram-panjakana ny hizarana karatany 2 ta­pitrisa hatramin’ny faran’ny taona 2023. Maro ireo faritra sy distrika ary teratany malagasy efa nisitraka izany. Tafi­ditra ao anatin’ny karatany 95 000 za­raina eto amin’ny faritra Ana­la­manga ireo karatany 12 000 voa­zara tao amin’ny distrikan’ Ankazobe, omaly, ireo. Fanta­tra, nandritra izay, fa manodidina ny 1 000 000 ny karatany efa voazara manerana ny Nosy.

Henintsoa H.

Partager sur: