Nambaran’ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, fa anisan’ny manova ny fiarahamonina sy mampivoatra ny firenena ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fanjakana tan-dalàna ary ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka. Nohitsiny fa anisan’ny mahatonga ireo mpampiasa vola tsy ho voasarika ny tsy fipetrahan’ny tany tan-dalàna. Mitombo isa ireo tsy an’asa. “Tena diso laharam-pahamehana ny mpitondra. Mila manova fomba fiasa isika ahafahana mivoatra”, hoy ity kandidà laharana faharoa ity, ny faran’ny herinandro teo, tany Arivonimamo. Vitsy ireo orinasa nijoro nefa iray alina isan-taona ireo azo raisina ho mpiasam-panjakana. Ho aiza ny ambiny amin’ireo tanora ? Mitaky tany tan-dalàna ny mpampiasa vola ary miaraka amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ahafahana mamaha ny olana eny ifotony izany. Sakana koa anefa ny tsy fahampian’ny herinaratra. Mampiaiky ny vahiny ny fahaizan’ny tanora sy ny traikefany nefa olana ny delestazy ary miteraka ahiahy izany, araka ny nambarany. Nohitsiny fa mila fiovana sy fahasahiana ny famahana ireo olona ireo… Manana ny tanjaka sy ny maha izy azy i Madagasikara ka ilaina ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana. Tsy fotoanan’ny fitiavan-tena sy ny kolikoly ary ny kiantranoantrano intsony izao. “Omena andraikitra araka ny fahaiza-manaony ny tsirairay. Tafiditra amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy izany ary efa ananan’ny MMM traikefa”, hoy izy.
Synèse R.




