Fifandonana nahery vaika : dahalo mpaka an-keriny roa lahy rotiky ny bala

Nifanenjehana tamin’ny fokonolona sy ny zandary, maty voatifitra ny mpaka an-keriny roa lahy saika hanatanteraka ny asa ratsiny tao Tsaratanana, afakomaly.

Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny kaominina Keliloha, distrikan’i Tsa­ratanàna, afakomaly. Niko­non­konona asa fakana an-keriny indray ny dahalo raindahiny. Tsikaritry ny fokonolona anefa ny fisian’ireo olon-dratsy ireo tao amin’ny kijanan’i Salama. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ao an-toerana izy ireo. Nifampitaona, araka izany, ny vatan-dehilahy sy ny zandary miisa valo lahy notarihin’ny lefitry ny kaomandin’ny kaompania Andria­mena. Teny an-dalana hihazo io toerana voalaza fieren’ny dahalo io, efa nitifitra ireo olon-dratsy vantany nahatazana ny zandary. Raikitra ny fifandonana. Vokany, lavo tamin’izany ny dahalo roa lahy efa mpaka an-keriny. Nanamafy ny olona efa nalain’izy ireo an-keriny tao amin’ny fokontany Ambo­hi­dronono Ambakireny fa ireo roa lahy lavo ireo no naka azy ireo, ny 7 aogositra 2023. Mi­tohy kosa ny hazalambo ataon’ ny mpitandro filaminana ny naman’ ireto maty voatifitra ireto.

Voaroba ny 3 hetsy Ar

Norobain’ny jiolahy telo lahy nilanja fitaovam-piadiana ny tsenam-barotra iray tao amin’ny fokontany Tsarazaza, kaominina Analavory, distri­kan’i Miarinarivo, afakomaly alina. Niditra an-keriny, nandrahona tamin’ny basy teny aminy ireo tsy valahara. Nitaky ny vola izy ireo. Nentin’ny ta­hotra sy tsy afa-nanohitra, na­nome ny vola mitetina 3 hetsy Ar ny voaroba. Nodaho­ran’ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray. Naratra mafy ny lohan’ity farany. Poa toy izay, nitsoaka nandositra niaraka tamin’ny vola ireo telo lahy. Naharay antso ny mpi­tandro filaminana ka niroso tamin’ny fanarahan-dia. Tratra tao anaty kirihitra ny iray tamin’ ireo olon-dratsy. Na­sain’ny zandary nivoaka io jiolahy io saingy nanda. Vokany, maty voatifitra izy ary mbola teny aminy ny basy nampiasainy. Tsy hita popoka ireo namany.

Tsiferana R.

Partager sur: