Faritra Atsinanana : maro ireo fotodrafitrasa vita, hanatanterahana ny Veliranon’ny filohan’ny Repoblika teo aloha

Fomba fitenin’ny mpanao politika matetika ny hoe mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 tao­na. Anisan’ny faritra nisitraka fotodrafitrasa maro samihafa avy amin’ny alalan’ny fampanantenan’ny filoha teo aloha ny any amin’ny faritra Atsinanana.

Nisitraka fotodrafitrasa maro samihafa ny any amin’iny faritra Atsina­nana iny, distrikan’ i Mahanoro manokana, raha ny fanadihadiana natao. Mizara roa miavaka tsara izany, izay mitsinjara ao anatin’ny distrika fito. Voalohany, ireo fotodrafitrasa nampanantenain’ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Rajoeli­na Andry, tany an-toerana. Anisan’izany, ny sekoly manara-penitra, biraom-panjakana, kianja ho an’ i Mahanoro… Faharoa, ny fampiasam-bola mitentina 2 miliara Ar avy
amin’ny filoha teo aloha hatrany. Natokana hotantanin’ ny governoram-paritra izany noho ny fahatokisan’ny filoha azy, raha ny fanazavana voaray. Natokana hampiasaina ho an’ireo tetikasa heverina ho laharam-pahamehana anatin’ny faritra iandraiketany izany.

Azo lazaina ho nahazo tombony tamin’ny fampanantenana ny ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Maha­noro, ao anatin’ny faritra. Hotokana­na mialoha ity faran’ny herinandro ity avokoa ireo zava-bitan’ny filoham-pirenena teo aloha any an-toerana ireo. Toy ny kianja, ny biraon’ny kaominina, EPP.

2 miliara Ar intelo nisesy

Tao anatin’ny 60 taona lasa, efa samy nifandimby teto amin’ny firenena ny filoham-paritany maro. Toy ny lehiben’ny faritra, solontenam-panjakana… Hatramin’ny taona 2020, nandraisan’ny governoram-paritra Atsinanana, Ra­fidison Richard Théodore, ny asany. Nahazo vola 2 miliara Ar tamin’ny filoha teo aloha izy hampiasaina amin’ ireo laharam-pahamehan’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina. Samy nisitraka sy nigoka ny fahaiza-mitantana teo anivon’ ny faritra ireo distrika fito mandrafitra azy.

Tao anatin’ny telo taona, nifantoka bebe kokoa tamin’ny fotodrafitrasa momba ny fifamoivoizana an-tapon-tanàna ny fampiasam-bola 6 tapitri­sa Ar. Nitaky asa goavana izany mba hamahana ny olana sy hanampiana ny mponina. Anisan’ny fotodrafitrasa vita tamin’izany, ny lalana “beton” sy rarivato mitambatra. Mirefy hatramin’ny 7 km, izay mitsinjara amin’ireo distrika fito ao anatin’ny faritra. Ho an’i Mahanoro manokana, 4 km ny lalana “beton” vita.

Tao anatin’ny 60 taona, niaina tao anatin’ny fotaka ny tampon-tanàn’ i Mahanoro. Tamin’ny taona 2001 vao nisy ny arabe vita tara, taorian’ny fahavitan’ny Rn 11 A. Tao anatin’ny ampahan-taona ni­tantanan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry sy ny governoran’ny faritra, Rafidison Richard Théodore, maro ireo lalana vita “beton”. Niha nazava ihany koa ny renivohitr’i Mahanoro Vatomandry An­tanambao Manampotsy (Ma­vam).

Fanabeazana sy tohana ho an’ny tantsaha

Laharam-pahamehana ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro. Toy ny fanamboaran-dalana hivezivezena, fandrakofana hazavana ny tanàna, fanatsarana ny lafiny fanabeazana ary ny fiainan’ny tantsaha. Ho an’ny fanabeazana manokana, manamora ny famonjen’ny ankizy sekoly ny fahavitan’ny lalana. “Tsy feno fotaka intsony izy ireo ary madio miditra an-dakilasy”, raha ny fanazavana. Ankoatra izay, 700 mahery ireo latabatra natao any amin’ireo sekoly maro samihafa isaky ny disitrika sy kaominina anatin’ny faritra Atsinanana. Notolorana fanampiana sy tohana ihany koa ireo mpianatra. Manampy betsaka ny tantsaha hitatitra ny vokatra koa ny fanamboaran-dalana.

Nohamafisin’ny ben’ny Tanàna maromaro sy ireo mpandraharaha ao Mahanoro nandritra ny fandalovana tany an-toerana fa ilaina ny fanohizana sy fiarovana ny ezaka nataon’ny filoham-pirenena teo aloha sy ny governoram-paritra. Hatsangana ho fikambanana ” Mamita” ny teny filamatry ny faritra, “Mandroso miaraka ho an’ ny taranaka”. Marihina fa mbola hitohy hatrany ny asan’ny faritra Atsinanana, hatra­min’izao.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: