Tetikasa Produir : trano vaovao 29 ahitana fonenana 87 haorina eny Andavamamba

Napetraka, omaly 26 septambra, ny vato fototra voalohany fanorenana tanàna vaovao eny amin’ny fokontany Andavamamba. Miisa 29 ny trano haorina, ahitana fonenana 87, ho an’ny fianakaviana sahirana sy marefo..

Mizara roa lehibe ny tetikasa Produir eto An­tananarivo, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Voalohany, ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina marefo sady sahirana amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka. Faharoa, ny fiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny tondradrano, ka hanadiovana ny lakandrano C3 sy ny fanamafisana, ny fiarovana ny sisin’ny reniranon’Ikopa sy Sisaony. Efa mandeha daholo ny fanombohan’ireo asa ireo. Ary napetraka omaly, ny vato fototra voalohany hananga­nana trano miisa 29, ahitana fonenana ho an’ny tokantrano miisa 87.

Nilaza ny mpandrindra ny “Produir”, Rasolofojaona Haja, fa « roa taona izao no nian­drasana ity fotoana ity. Tsy maintsy mandroso isika amin’ ny fanatanterahana ny asa ». Efa fantatra daholo ny tokantrano marefo, monina manamorona ny lakandrano C3, tratry ny tondradrano mate­tika. Hafindra any amin’ny faritra tsy tratry ny loza izy ireo.
Nanamafy izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andri­a­tsitohaina Naina, fa « endriky ny fanatanterahana ny fitsin­jaram-pahefana tena izy izao asa izao. Adidin’ny olom-pirenena sy ny mponina hipetraka amin’ireo trano fonenana vaovao ireo ny hanaja sy hikojakoja azy tsara ».
Fotodrafitrasa maherin’ny 500
Ho an’ny minisitry ny Fa­na­­jariana ny Tany sy ny fananan-tany (MATSF), Rama­ho­li­masy Holder, « dingana lehibe vaovao ho an’ny tetikasa Pro­duir izao fanorenana trano fonenana izao. Tanjona ny hi­tsinjovana ha­trany ny mahasoa ny mponina ». Etsy ankilany, mitohy ny asa fa­nadiovana ny lakandrano C3, toy ny fametrahana ny tsatoka mamaritra ny faritra voakasika sy ny fanentanana ny mponina.
Maherin’ny 500 ny fotodrafitrasa aorin’ny tetikasa Pro­duir, mahakasika olona manodidina ny 500 000.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: