Fanaraha-maso ny zavamaniry : hiara-hiasa ny FAO sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana

Tetikasa hiompana amin’ ny fanaraha-maso ireo aretina mianjady amin’ny zavamaniry sy ny tontolo anaty ala izay tena anisan’ny mamotika ny tontolo iainana. Ireo no handrafitra ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny sam­pandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny famokarana (FAO) sy ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fiompiana. Natao ny alatsinainy teo ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasan’ny roa tonta izay haharitra roa taona. Tanjona ny hametraka fiaraha-miasa mahomby mahakasika ny zavamaniry sy ny ala, hisorohana sy hifehezana ireo aretina manambana ny vokatra ara-pambolena, ny voka-dratsiny eo amin’ny sehatry ny tsena, ary indrindra ny tontolo iainana. Voizina ao anatin’izay ny paikady apetraky ny minisitera sy ny FAO hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny Malagasy.
Miatrika

Enti-manatanteraka ny teti­kasa ny famatsiam-bola mi­tentina 450 000 dolara avy amin’ny FAO. Ahafahan’ireo vondron’olona tena marefo miatrika ny ambana sy ny vokatra ateraky ny fiovaovan’ ny toetr’andro. Hohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina sy ireo tantsaha mpamokatra ahafahany mitsirika mialoha ireo aretina mety hianjady amin’ny vokatra. Ham­pitaina amin’ireo mpiantse­hatra ara-pamokarana ny antotam-baovao mahakasika ny tontolon’ny ala hahafahany mandray fepetra mifanandrify amin’izay hiadina amin’ny aretina samihafa.

Henintsoa Hani

Partager sur: