TSELATRA

Mpitondra moto sy mpitondra bisikileta nifandona teo Ambohimahitsy-Ambohimangakely, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Nandeha mafy ny moto ka nifatratra tampoka tamin’ilay bisikileta. Samy tsy nahatsiaro tena vokatry ny dona mafy nahazo azy ny roa tonta ka nentin’ireo nanatri-maso namonjy ny CHRD Ambohimangakely.

Saron’ny zandary ireo mpivady nanao sarintsarina fakana an-keriny tao Bemangoraka Talata Angavo, distrikan’Ankazobe, omaly. Nikoropaka ny fianakaviana naheno fa nisy naka an-keriny tao an-tranony ity raim-pianakaviana iray, ny alin’ny 22 septambra 2023 teo. Nitaky vola 11 tapitrisa Ar izy ireo. Niafina tao amin’ny valin-drihana anefa ity raim-pianakaviana voalaza fa nisy naka an-keriny ity.

Potipotika ny tongotr’ilay lehilahy nandeha moto nifandona tamina fiara 4×4 iray teny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly atoandro. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza. Teo am-pisongonana ilay fiara no niseho ny loza satria namantana tany amin’ilay fiara izy. Nipitika avy eny ambony moto izy.

Tratran’ny polisin’ny Stup teny Amoronakona By-Pass, omaly maraina, Razily mpanao trafikana zava-mahadomelina. Polisy nanao fanamiana sivily mandeha an-tongotra no nahita teo am-piandrasana taxi-be. Efa mpamerin-keloka Razily ka tsy zoviana amin’ny polisy ny endriny. Niroso tamin’ny fisamborana azy ny polisy. Tratra tany aminy ny rongony milanja 3 kg. Naiditra am-ponja omaly rehefa avy natolotra ny fampanoavana.

Partager sur: