Salon international de l’habitat : hankalaza ny jobily volafotsy amin’ity taona ity

Hiavaka tanteraka ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny hetsika « Salon international de l’habitat », hatao ny 19 ka hatramin’ny 22 oktobra izao. Hisy ny fihenam-bidy manokana hatolotr’ireo mpandray anjara.

Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 22 okotobra izao ny hetsika « Salon international de l’habitat » (SIH), izay hatao eny amin’ny Parcs des expos, Forello, Tanjombato. Fotoana hankalazana ny jobily faha-25 taona ny hetsika ihany koa ity taona ity. Hisy fihenam-bidy manokana hatolotr’ireo mpandray anjara ny hetsika hanamarihina izany jobily volafotsy izany. Fotoana ihany koa ha­hafahan’ireo matihanina samihafa, mpiantsehatra momba ny trano mampahafantatra ny asa tanany sy manao varotra fampirantiana ny vokatra ataony. Toy ny hetsika karakarain’ny Hazovato Forelle expo hatramin’izay, omena toerana manokana sy hampahafantatra ny vokatra ataony ireo orinasa misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Hampiavaka ny hetsika ihany koa ny toerana misy ny fampihaingoana ny ivelan’ny trano sy ny zaridaina.

Fiarovana ny tontolo iainana
Toy ireo hetsika teo aloha, akora voahodina sy angovo azo avy amin’ny herin’ny ma­soandro no ampiasaina amin’ilay toerana 12 000m2 ha­naovana ny SIH. Omena toerana hatrany koa ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana (éco-responsabilité).
Hisy ny fanentanana isan-karazany sy ny valandresaka ary loabary an-dasy momba ny tontolon’ny trano, hanamarihana ny hetsika. Tanjona ny hahitan’ny rehetra ireo mpandray anjara sy hampiroboroboana ny seha-pihariany. Tafi­ditra ao anatin’izay ireo orinasa madinika ka hatramin’ireo vaventy misehatra amin’ny fanorenana trano. Manodidina ny 20 000 ny mpitsidika andrasana ho avy mandritra ny SIH.

Henintsoa Hani

Partager sur: