Navoakan’ny orinasa Telma Madagasikara, ny volana jona 2020, ny tanjaka 5G, voalohany aty Afrika. Fivoarana teknolojia miavaka, satria tambajotra tena matanjaka. Miara-miasa amin’ny marika Ericsson (orinasa Nasdaq : Eric) ny Telma amin’ny fametrahana ny tanjaka 5G, ho an’ny finday nohatsaraina (eMBB) ny voalohany, ary ny fitaovam-pifandraisan-davitra tsy mila tariby (FWA) ny faharoa. Haingam-pandeha ny fifandraisan-davitra satria mihena be ny fotoana. Manatsara ny asan’ny matihanina sy ho an’ny kilalao fialamboly samihafa ihany koa.
Nilaza ny filoha Administratera, tale jeneraly (ADG) ny Telma, Patrick-Pisal Hamida, fa: « hiantraika tsy ho ela amin’ny toekarena eto amin’ny firenena ny 5G. Taratry ny fiverenan’ny fandraharahana malagasy izany, sady hisarika ny vahiny mpandraharaha ho avy aty Madagasikara ».
Vitsy sisa ny hampiasana ny 4G
Ho vitsy sisa ny fampiasana ny 4G mialoha ny faran’ity taona 2023 ity. Hifantohana ny fametrahana ny taribim-pifandraisana « fibre optique » 5G any amin’ireo tanàn-dehibe, mihoatra ny 11 000 km, miampy ny fifandraisana miisa efatra any amin’ny ranomasimbe Indianina sy i Afrika.
Vao mainka hivelatra ny sehatry ny andraikitry ny orinasa ara-tsosialy (RSE) ampiasana ny 5G, sahanin’ny Telma eo amin’ny sehatra fanatanjahantena, kolontsaina, fanabeazana, sns.
Njaka Andriantefiarinesy