Vaovao tambatra

Tafakatra 94,5 dolara ny vidin’ny solika iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. 72 dolara tamin’ny jona 2023 teo. Milaza ny mpahay toekarena iraisam-pirenena fa mety hisondrotra io vidiny io, satria hiditra amin’ny ririnina ny any amin’ny ilabolantany avaratra.

Manomboka androany ka hatramin’ny ala­hady izao ny “Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono” (FEPA), andiany faha-15 izay atao eny amin’ny MPE Nanisana. Tanjona ny ho fampiro­boroboana ny toekaren’ny tantsaha sy ny seha-piha­riany.

Nankalazaina omaly, ny Andro maneran-
tany ho an’ny fizahantany. Lohahevitra noraisina ny “Ny fi­za­hantany ho an’ny famatsiana maitso”. Miresaka ny Nosy sy ny Malagasy ary ny zava-mananaina eto amin­tsika ho an’ny fampandrosoana maharitra..

Hatao ny 9 hatramin’ny 15 oktobra ho
avy izao ny fivoriamben’ny FMI sy ny Banky
iraisam-pirenena. Notazonina ihany ity fotoana ity, na teo aza ny loza, horohorontany nianjady tamin’i Maraoka.

Partager sur: