Karazana zavakanto avy amin’ny fomba amam-panao sy kolontsaina japoney ny fambolena bonsaï. Miparitaka maneran-tany ary ahitana mpanao izany eto Madagasikara.
Avy amin’ny teny japoney, midika hoe «bonne-saille», milaza sy manondro zavakanto ambolena ao anaty koveta marivo na vilia fisaka iray. Mba hanomezana azy endrika mihaja toy ny hita eo amin’ny natiora, fa manaraka ny teknika sy fitsipika novolavolaina tany Japon. Niandohan’ny zavakanto ny fanjakana sinoa, nanodidina ny 700 taona talohan’i Jesosy Kristy, raha ara-tantara. Zavakanto nentin’ny Sinoa tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo teknika manokana hananganana hazokely ao anaty vilany na zavatra hafa izany. Tany am-piandohana, ireo sangany teo amin’ny fiarahamonina ihany no nanao izany tamin’ny hazo nojinjaina.
Nampidirina tany Japon io zavakanto io ka nohatsarain’izy ireo ho lasa zavakanto amin’ny endrika maro samihafa, nanomboka tamin’ny vanim-potoana Kamakura (1200 taona lasa izay). Tanjona amin’ny fambolena azy ny famoronana endrika kely sy tena zava-misy amin’ny endriky ny hazo. Tamin’ny vanim-potoanan’ny alimo sinoa, nofidina ho tahafina, hampiasaina amin’ny fombafomba ara-pivavahana sy ara-politika ny bonsaï. Nivelatra nanerana ny firenena maro ireo fomba amam-panao isan-karazany ireo.
Niangarana ny firenena malagasy satria manankarena karazan-kazo tsy fahita firy afa-tsy eto an-toerana raha oharina amin’ny firenena maro samihafa. Efa maro ireo olona misehatra amin’ny fanaovana bonsaï eto amin’ny Nosy ka mampiasa ireny karazan-kazo ireny. Toy ny eny Ambohimanambola, Alasora, Ankatso… Anisan’izany i Bruno Bonsaï etsy Ambatomirahavavy. Nisehatra tamin’ny fambolena izany nanomboka ny taona 1986 izy. Nisedra olana isan-karazany vao nahazo vokatra, raha ny nambarany. “Mila faharetana ny fambolena azy ho an’ireo manam-paniriana hikarakara sy hanao izany mba hanatrarana ny tanjona”, hoy Rakotomanga Bruno, mpanao bonsaï etsy Ambatomirahavavy. Nilaza izy fa ahitana lalam-barotra manerana ny Nosy sy maneran-tany ny faharetana amin’ny fanaovana izany.
Haingo sy endriky ny tokantrano
Azo apetraka amin’ny toerana rehetra ary manaingo ny faritra hipetrahany ny bonsaï. Azo atao eny an-jaridaina, anaty birao, anaty efitrano fandraisam-bahiny, eny an-davarangana…izy ireny. Arakaraka ny karazan-kazo ampiasaina no hisafidianana ny toerana hametrahana azy. Misy ireo hazo tsy mahazaka tara-pahazavana mivantana toy ny karazan-kazo Sageratias. Mampitombo azy ny hafanana eo anelanelan’ny 15 sy 25°C. Mety tsara amin’ny fambolena an-trano izy ireo. Ho an’ny karazan-kazo fanao eny ivelan’ny trano kosa indray.
Azo atao bonsaï avokoa ny hazo rehetra, na ny voankazo aza ary mahafinaritra sy kanto ny fahitana azy. Efa maro ny manao azy ireny. “Tsy manindraindra ny kolontsaina vahiny ny fanaovana izany eto amin’ny firenena malagasy fa manome tombony ho an’ny mponina sy
ny firenena satria manome lanja ny karazan-kazo misy eto an-toerana’’, hoy hatrany R. Bruno bonsaï. Eo amin’ny hazo fihinam-boa, somary mihena ny habeny noho ny fahita andavanandro sy ny isany satria amin’ny maha hazokely azy dia tsy mitondra firy izy raha oharina amin’ny hazo lehibe. Tsy mampiasa akora simika izy ireo amin’ny fambolena sy ny fikarakarana rehetra satria manimba sy manamaina ny tany izany.
Mamalifaly ny mpitia azy ny bonsaï
Maro ireo Malagasy mankafy sy manao bonsaï noho ny fahitana ny endriny hafakely tsy fahita andavanandro. Miramirana sy falifaly ny ankamaroan’ny olona mahita sy mijery izany. « Zava-boahary kanto sy mahafinaritra izy ireny ka manome fifaliana ny zanak’olombelona », hoy i Noro, mpankafy bonsaï. Afaka mividy ity vokatra ity avokoa ny olon-drehetra. Mandalo dingana maromaro ny fanaovana azy. Anisan’ny fototra niaingan’ity kolontsaina ity ny fakana ireo hazo efa naniry an-taonany maro. Mety efa nahatratra 100 taona mihitsy izany, raha ny fanazavana. Azo atao ihany koa ny miainga amin’ny zanakazo sy ny voa afafy. Vita amin’ny tanimanga, vato, simenitra ireo fitoerana, vazy, hipetrahany.
Misy ihany koa ny fanajana ny fakana ireo hazo hambolena ho lasa bonsaï. Amin’ny ankapobeny, miankina amin’ny finoan’ny tsirairay izany, raha ny fanazavana. Anisany noraisina ho ohatra ny akondro, izay lazaina fa tsy azo atsatok’olona tsy mipi-bolo. Ankoatra izay, misy ihany koa ny hazo mitondra vintana ho an’ny tsirairay ka tsara ny hitahirizana azy.
Nanatontosa : Mino