Horonantsary fanadihadiana. Ankoatra ny maha fialamboly, amin’ny maha horonatsarimihetsika azy. Mirakitra fahalalana sy fandalinana maro ihany koa ny horonantsary fanadihadiana. Raha ho an’ny eto Madagasikara manokana, azo trandrahana tsara ity sehatra ity ary maro no tokony hanatanterahana azy.
Rantin-tsary fanabeazana. Tontosaina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, manomboka ny 30 septambra 2023 hatramin’ny 28 oktobra 2023, ny rantin-tsary entina manabe ny olom-pirenena momba ny vaovao marina. Fampirantiana sary pika sy sary natao tanana, fanentanana ara-javakanto ary atrikasa momba ny haikanto no handravaka ny hetsika.
“Slam media 2023”. Norombahin’i Saba sy Voromahery ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana “Slam media 2023”. Tokony iray ihany no mpandresy saingy nitovy ny naotin’izy ireo. Araka ny fitsipiky ny “Slam media” anefa, fiodinana iray ihany no atao ka izay voalohany amin’izany no mivoaka mpandresy avy hatrany.
Océane Vonwertas. Anisan’ny vahinin’ny “Jôkôsô- Festival du rire” andiany fahatelo atao ny volana oktobra 2023, eto Antananarivo, i Océane Vonwertas, mpanao hatsikana avy ao La Réunion. Ny 12 oktobra 2023 izy no hitarika fampiofanana sy hifampizara amin’ireo mpanao hatsikana matihanina eto Madagasikara.