TMH: “Aoka isika vahoaka tsy ho voarebireby”

Nampahafantatra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena, omaly, ny solontenan’ireo mpikambana eo anivon’ny Tanora miandrandra ny hoavy (TMH), manerana ny Nosy, tetsy Antanimena. Nohitsin’izy ireo fa aleo handeha ny fifidianana. “Aoka isika vahoaka tsy ho voarebirebin’ny mpanao politika. Tahotra ny fifidianana an’ireo kandidà sasany ireo”, hoy ny filoha nasionaly, Rafidima­nana Désiré. Nanteriny fa efa maika ny hisafidy ny ho mpitondra azy ny vahoaka malagasy ary efa leo korontana sy krizy politika ka tsy azo ekena ny fanakantsakanana izany zotram-pifidianana iza­ny. Tsy nitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka sy ny firenena ny olana politika teto, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, notsindriny fa mbola vonona ny hampandany indray ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry ny TMH, amin’ny fifidianana filoham-pirenena. “Manohana azy tsy misy fepetra ho amin’ny dimy taona manaraka izahay noho ny zava-bitany na teo aza ny olana samihafa: Covid-19, ady any Ukraine, ny rivodoza…”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: