VKLM : hampandany ny kandidà Rajoelina Andry

Nanao fanambarana fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, ny Vondrona laika kristianina mikatroka (VKLM), omaly, tetsy Antaninarenina. Nam­bar­­an’ny mpandrindra izany eo anivon’ny distrika Anta­nimena, Randriamiaramisaina Mirantsoa fa tokony hiomana amin’ny hiatrehana ny fifidianana ny rehetra. “Aoka isika handray anjara mavitrika fa adidy masina ho an’ny tanindrazana izany. Aoka tsy ho voarebirebin’ny mpanao politika sasany”, hoy izy ireo. Niantsoany ny famondronan-kery izany ho amin’ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo. Notsiahiviny ireo asa vita teo amin’ny sehatra samihafa teto amin’ny firenena. Tahaka izany koa ny eo anivon’ny fiangonana. “Nitsinjo ny soa iombonana sy ny hasin’ny maha olona ary hita taratra tamin’ireo fotodrafitrasa marobe, tsy tambo isaina, izany… Tena resy lahatra tanteraka izahay fa izy irery ihany no afaka manohy ny asa efa natombony”, hoy ihany izy ireo.
Nialoha izany, nohitsin’ny VKLM fa efa mazava ny nambaran’ny HCC amin’ny didy tsy azo ivalozana navoakany. “Efa voalanjalanja izany ary nataon’ireo mpitsara avo tamim-pahamarinana. Efa maro koa ireo andrarezin’ny lalàna nanazava ireo toko sy andininy manoloana ny fivoizan’ny sasany ny fanapahana noraisin’ny HCC”, hoy izy. Ho an’ny VKLM, efa tsy any intsony ny resaka fa efa ny firosoana amin’ny fifidianana.

Synèse R.

Partager sur: