Fiatrehana fifidianana: mitohy ny asan’ny iraky ny ONU

Nandray avy hatrany ny iraky ny Firenena mikambana (ONU), notarihin’i Parfait Onanga Anyanga, tetsy Ampandrana, ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, omaly. Tafiditra amin’ny fiomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana izany.
Naharitra ora iray mahery ny fihaonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ary tsy nisy nipika ny dinika sady tsy azo natrehin’ny mpanao gazety.
Nitohy tamin’ny fihaonan’ireto iraky ny ONU ireto ta­min’ireo kandidà izany, omaly tolakandro, teny Andraharo. Kandidà miisa efatra no tsy tonga. Anisan’izany Rajoelina Andry, Razafintsiandraofa Bru­nelle, Razafinjoelina Ta­hina ary Raderanirina Sen­drison.
Tsiahivina fa efa nigadona eto amintsika hatry ny omaly ireto delegasionina ireto ary mbola hihaona amin’ny praiminisitra, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Eo koa ny fihaonan’izy ireo amin’ny minisitry ny Fitsarana sy ny minisitry ny Toekarena ary ny minisitry ny Atitany. Manampy izany ny dinika ifanaovan’izy ireo amin’ny minisitry ny Mponina. Hitohy amin’ny fihaonana amin’ny filohan’ny HCC sy ny filohan’ny Ceni ary ny filohan’ny CNIDH. Handray koa ny fiarahamonim-pirenena (OSC), ireto delegasion’ny ONU ireto. Hisy ny fihaonana amin’ireo diplaomaty.

Synèse R.

Partager sur: