Orimbato najoro etsy Ankasina. Io no nentin’ny Polisy monisipaly nanamarika ny faha-23 taona nijoroany, omaly. Nanatrika ny fotoam-pankalazana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Nankalazaina omaly ny faha-23 taona nijoroan’ny Vondrona polisy monisipaly eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Izay tarihin’ny lehiben’ny vondrona, ny Commissaire Ostrom Whenss. Ho fanamarihana izany, nanolotra orimbato ho an’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra sy ny mponina eto Antananarivo ny Polisy monisipaly. Napetraka etsy Ankasina izany mba ho fitsangantsanganana sy ho fakana sary ary ho fakana aina. Lasa toerana mahasarika olona, araka izany, ny etsy Ankasina. Noho ny fanatsarana sy ny fijoroan’io orimbato vaovao io. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fivavahana iraisam-pinoana, notanterahina tetsy amin’ny FJKM Anosipatrana. Natao ho fangataham-pitahiana sy ho fisaorana an’Andriamanitra tamin’ny zava-bita rehetra. Nofaranana tamin’ny fiaraha- nanala hetaheta sy fiaraha- nisakafo mitam-pihavanana tetsy amin’ny Tobin’ny Polisy monisipaly Anosipatrana izany avy eo. Nanatrika ny lanonana teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, sy ireo mpiara-miasa aminy ary olo-manan-kaja sivily sy miaramila.
Mino




