Mpirafivavy niady an-tsena: raim-pianakaviana voatsatok’antsy

Naratra mafy ny lehilahy iray, voatsatoka antsy tamin’ny talata alina. Telo andro taorian’ny niadiavan’ny vehivavy roa samy sakaizany teny an-tsena. Asa, misy ifandraisany izany ?

Tovovavy roa mpirafivavy samy sakaizana raim-pianakaviana iray no nifandramatra sy nifampito­lona, tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina, tamin’ny sabotsy. Nitangorona ny fokonolona nahita azy ireo nifampisaringo-bolo sy nifanakapokapoka tamin’ny tany. Fantatra nandritra izany fa raim-pianakaviana iray no hiadiavan’izy ireo.
Samy te ho tompon-drangahy. Voatery nantsoina tany an-tranony mihitsy ity raim-pianakaviana handamina azy ireo. Voalaza fa efa ela izy roa vavy ireto no niady toy izao. Samy tsy manaiky lembenana.
Telo andro taorian’izay, nisy nanatsatok’antsy tao An­dranomadio Toamasina ilay rangahy nifandroritan’izy roa vavy. Naratra mafy izy ka voatery naiditra haingana tao amin’ ny sampana vonjy aina ao amin’ny Hopitalibe Toama­sina. Manahy ny mponina sy ny mpitandro filaminana fa misy ifandraisany amin’ny ady ifanaovan’izy roa vavy mpirafy ireto ity herisetra ity. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ ny hopitaly ilay raim-pianakaviana niharam-boina, hatramin’ izao.
Anatin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana, satria misy lehilahy iray hafa koa tafiditra amin’ity olam-pitiavana ity. Nandritra ny adin’ izy roa vavy tamin’ny sabotsy, nisy tovolahy hafa niditra an-tsehatra. Sakaizan’ny iray amin’ireo tovovavy nifandramatra izy. Teo vao nahafantatra ilay tovolahy fa nampirafesina. Nivonona ny hiady tamin’ ilay raim-pianakaviana ihany koa izy. Saika ady roa samihafa no niseho teo an-toerana tamin’io fotoana io. Mano­loana izany niditra an-tsehatra namaha ny olana ny fokono­lona nanatri-maso.

Sajo/J.C

Partager sur: