TSELATRA

Niakatra fitsarana omaly, tao amin’ny efitra fahadimy, Lapan’ny Fitsarana Anosy, ny raharaha Ntsoa VHF. Tonga tao an-toerana ireo voampanga ka anisan’izany ilay renim-pianakaviana iray voalaza fa sakaizan’i Ntsoa. Teo koa ilay mpa­mily sy ireo niray tsikombakomba taminy. Nahemotra amin’ny fotoam-pitsarana manaraka izany satria tsy tomombona ny pitsopitsony ara-pitsarana teo amin’ny mpitory sy ny vavolombelona.

Namoy ny ainy nandritra ny fifandonana tamin’ ny dahalo tao Andapan’omby Mahabo, raha nanara-dia dahalo nangalatra omby, omaly, ny Adjudant Dieu Donné Saory. Miasa ao amin’ny Compagnie d’infanterie Mahabo izy. Raikitra ny fifandonana, dahalo telo indray lavo nandritra ny fifampitifirana. Lavo tamin’izany koa ity manamboninahitra lefitra ity.

Kisoa maromaro may vokatry ny haintrano tao amin’ny tanànan’Antafiankasaka, kaominina Ambilobe, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Nire­hitra tampoka noho ny antony tsy fantatra ma­zava ny tranon-kisoa tao ambadiky ny hopitalim-panjakana ao an-toerana. Nifandrimbona nifehy ny afo ny fokonolona manodidina.

Potika tanteraka ny lohan’ny fiara 4×4 tra-doza teny amin’ny RN7, teo Ankoroka, Ambohima­hasoa, omaly. Nandeha mafy, nifatratra tampoka tamin’ny kamiaobe ity fiara tsy mataho-dalana ity. Tsy nisy ny ainy nafoy. Nanokatra ny fanadiha­diana ny mpitandro filaminana.

Partager sur: