Manakara : telo lahy nahatrarana rongony 22 gony

Nifanena tamin’ny zandary sy ny fokonolona nanao fanarahan-dia, ny mpâmongady rongony telo lahy sarona tao amin’ny kaominina Analavory, distrikan’i Manakara, afakomaly. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy hifanehatra amin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Nanao ny asa tamin’ny alalan’ny fanarahan-dia dahalo mpangalatra omby ny fokonolona sy ny zandary. Tsikaritry ny mpitandro filaminana ny fihetsika hafahafa nataon’izy telo lahy ireto. Nohadihadiana ary nosavaina ny gony teny amin’izy ireo. Tratra tao anatin’izany ny rongony efa maina. Nokasaina hotaterina ary hamidy ireto zava-mahadomelina tra-tehaka ireto. Nen­tina natao famotorana izy telo mirahalahy. Nogiazana avokoa ireo rongony ary ho dorana tsy ho ela. Tetsy ankilany, tafaverina tamin’ny tompony ny omby halatra nanaovana fanarahan-dia. Atao fanadihadiana ireo voasambotra ary hatolotra ny fampanoavana avy eo.

Tsiferana R.

Partager sur: