Nitondra fanazavana momba ny fahazoan’ireo kandidà mampiditra angidimby ny tale jeneralin’ny ACM, i Damasy Gervais, omaly, teny Tsimbazaza. Efatra ireo kandidà efa nangataka sy nahazo alalana hanafatra izany hatramin’izao.
Nambarany tamin’izany fa nofoanana ilay fe-potoana roa volana mialoha afahana manao ny fangatahana ahazoana manafatra izany. “Noraisina izany fepetra manokana izany noho isika hiatrika fifidianana”, hoy izy. Nanteriny fa miisa efatra izany izao ireo kandidà efa nametraka taratasy fangatahana teo anivon’ny ACM. Anisan’izany ny kandidà isany, Ravalomanana Marc, Razafinjoelina Tahina, Andrianainarivelo Hajo ary Randrianasoloniaiko Siteny. Na izany aza, noferana ho roa ihany no ampiasain’ny kandidàn’ny Mihava Tour raha nangataka efatra izy. “Anton’izany ny ho fisorohana ny fahasarotana samihafa mety hitranga”, hoy ihany ny ACM.
Etsy andaniny, manana zo handray fepetra ny tale jeneralin’ny ACM raha misy ilàna izany amin’ny fotoana rehetra. Ho hentitra koa izy ireo amin’ ny aroloza “Sécurité” na ny fisavana amin’ny ankapobeny amin’ny helikoptera. Eo koa ny fepetra momba ny “Sureté” natao hisorohana ny fanondranana an-tsokosoko na ny mety ho fanodinana izany amin’ny zotra tsy tokony alehany.
Tsiahivina fa ny kandidà Randrianasoloniaiko Siteny irery ihany no hany nandefa solontena teny amin’ny ACM tamin’izao fampahafantarana izao. Nentanina ireo ny kandidà sasany maniry ny hampiditra sy hampiasa angidimby amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao mba hametraka ny fangatahany fahazoan-dalana eny Tsimbazaza.
Synèse R.




