Nifanesy noraisin’ny eo anivon’ny FFKM, tetsy Ampandrana, omaly, ireo lehibena Andrimpanjakana. Samy noferana 30 mn avy izany fihaonana izany. Niditra voalohany, ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Tsy azo ihodivirana fa ny antony tsy nandraisany ilay fahefana ka namindrana izany any amin’ny governemanta ifarimbonana no votoatin’ny fihaonan’izy ireo.
Nitohy amin’ny fandraisan’ny FFKM ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine izany avy eo. Anisan’ny birao politikan’ny TGV/Mapar sady solombavambahoaka koa ny tenany ankoatra ny maha lehibena Andrimpanjakana azy. Namarana ny fifampiresahana ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent. Anisan’ny namoaka ireo didy samihafa amin’ izao hiatrehana ny fifidianana izao. Manomboka amin’ny fandraisana ny fametrahana ny dosie an’ireo kandidà ary nitohy tamin’ireo fanapahana samihafa noraisin’ny tetsy Ambohidahy, nanomboka ny 8 septambra ka hatramin’izao.
Ankoatra izany, niverina noraisin’ny FFKM koa ny Profesora Ranjeva Raymond.
Tsiahivina fa efa noraisin’ny filoham-piangonana teny Ampandrana ny volana marsa teo ity manampahaizana momba ny lalàna iraisam-pirenena ity. Anisan’ny nohenoin’ny FFKM koa ny solontenan’ny ONU, Issa Sanogo, sy ny masoivohon’i Frantsa, Arnaud Guillois tamin’izany.
Synèse R.




